Revelation of John 2

1Soraty ho an’ny anjelin’ny fiangonana ao Efesosy hoe: “Ireto ny teny avy amin’ilay iray izay mitazona ireo kintana fito amin’ny tanan-kavanany ary mandeha eo amin’ireo fanaovan-jiro volamena fito, 2“Fantatro izay efa vitanao sy ny asa mafinao ary ny fiaretanao maharitra. Fantatro fa tsy afaka handefitra amin’ny olon-dratsy ianao. Fantatro fa notsapainao ireo izay milaza azy ireo ho apostoly, nefa tsy izy, ary hitanao izy ireo fa sandoka.

3Fantatro fa manana faharetana ianao, ary nijaly mafy nohon’ny amin’ny anarako, ary tsy nilavo lefona ianao. 4Nefa manohitra anao aho satria namela ny fitiavanao voalohany ianao. 5Tsarovy noho izany ny toerana izay nahalavo anao. Mibebaha ary manaova ireo zavatra izay nataonao voalohany. Fa raha tsy mibebaka ianao, dia ho avy any aminao aho ary hanala ireo fanaovan-jironao amin’ny fitoerany.

6Kanefa izao no ataonao: “Halanao ny zava-bitan’ny Nikolaita, izay halako ihany koa. 7Aoka izay manan-tsofina hihaino izay lazain’ny Fanahy ho an’ireo fiangonana. Ho an’ilay iray izay maharesy dia homeko alalana hihinana ny avy amin’ny hazon’ny fiainana, izay ao amin’ny paradisan‘Andriamanitra.”‘‘’

8Soraty ho an’ny anjelin’ny fiangonana any Smyrna hoe: “Ireto ny tenin’ilay iray izay voalohany ary farany, ilay iray izay efa maty nefa velona indray: 9“Fantatro ireo fahorianao sy ny fahantranao, nefa manan-karena ianao. Fantatro ny fitenenan-dratsy ho an’ireo izay miteny ny tenany fa Jiosy, kanefa tsy izy. Synagogan’i Satana izy ireo.

10Aza matahotra ny amin’izay efa hiaretanao. Indro! Ny devoly dia hanipy ny sasany aminareo any amin’ny tranomaizina mba ho tsapaina ianareo, ary hijaly mandritry ny folo andro ianareo. Matokia mandra-pafahaty, ka homeko anareo ny satro-boninahitry ny fiainana. 11Izay manan-tsofina aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy ho an’ireo fiangonana. Ilay iray izay maharesy dia tsy ho simban’ny fahafatesana faharoa.”‘‘’

12Soraty ho an’ny anjelin’ny fiangonana any Pergamosy hoe: “Ireto ny tenin’ilay iray izay manana sabatra roa lela: 13“Fantatro izay onenanao, dia ao amin’ny hitoeran’ny seza fiandrianan’i Satana. Ary ankehitriny mitana mafy ny anarako ianao. Fantatro fa tsy nandà ny finoanao ny amiko ianao, na dia tamin’ireo andron’i Antipasy vavolombeloko aza, izay nahatoky Ahy, izay novonoina teo aminareo, tao amin’ny fonenan’i Satana.

14Fa manan-teny kely aminao Aho: “Misy sasany aminareo mitana mafy ny fampianaran’ny Balama, izay nampianatra an’i Balaka hametraka fanafintohinana eo anoloan’ny zanak’Israely, mba hihinanan’izy ireo ny sakafo natao sorona ho an’ny sampy ary ho fijangajangana. 15Toy izany ihany, misy sasany aminareo izay mitana mafy ny fampianaran’ireo Nikolaita.

16Mibebaha, noho izany! Fa raha tsy izany, dia ho tonga faingana any aminareo Aho, ary hifanandrina amin’izy ireo aho miaraka amin’ny sabatry ny vavako. 17Aoka izay manan-tsofina hihaino izay lazain’ny Fanahy ho an’ireo fiangonana. Ho an’ireo izay maharesy, homeko ny sasany amin’ireo mana miafina, ary homeko vato fotsy miaraka amin’ny anaram-baovao voasoratra eo amin’ny vato, anarana izay tsy fantatr’olona afa-tsy izay mandray azy ihany.”‘‘’

18Soraty ho an’ny anjelin’ny fiangonana ao Tyatira hoe: ‘Ireto ny tenin’ny Zanak’Andriamanitra, izay manana maso toy ny lelafo ary tongotra toy ny varahina mangirana: 19“Fantatro izay vitanao: Ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanomponao ary ny faharetanao. Fantatro fa izay vitanao farany dia betsaka noho izay vitanao voalohany.

20Kanefa izao no hanoherako anao: Leferinao ilay vehivavy Zezebela, izay miantso ny tenany ho mpaminany vavy. Amin’ny alalan’ny fampianarany dia mamitaka ireo mpanompoko izy mba hijangajanga sy hihinana sakafo atao sorona ho an’ny sampy. 21Nanome fotoana mba hibebahany Aho, kanefa tsy mety hibebaka ny amin’ny fijangajangany izy.

22Indro! Hataoko marary eo ampandriana izy, ary ireo izay mijangajanga miaraka aminy dia hampahoriako mafy, raha tsy mibebaka amin’ny asa ratsin’ilay vehivavy izy ireo. 23Ho vonoiko ho faty ireo zanany, ary ireo fiangonana rehetra dia hahalala fa Izaho ilay mahita ny fieritreretana sy fihetsem-po. Homeko araka ny asanareo tsirairay avy ianareo.

24Fa ny aminareo izay sisa ao Tyatira, izay rehetra tsy mitana izao fampianarana izao, sy tsy mahalala izay antsoin’ny sasany hoe sain-dalin’i Satana— Izao no lazaiko aminareo hoe: “Tsy vesarako entana hafa ianareo.” 25Na izany aza, tsy maintsy mitazona mafy ny finoanareo ianareo mandra-pihaviko.

26Ilay iray izay maharesy sy izay manao izay efa vitako hatramin’ny farany, dia homeko azy ny fahefana amin’ny firenena rehetra. 27‘Hanapaka eo amin’izy ireo miaraka amin’ny tehim-by izy, toy ny fanorotorona vilany tany no hanapotehina azy ireo.’ 28Tahaka ny nandraisako avy amin’ny Raiko, no hanomezako azy kintana maraina ihany koa. Aoka ilay iray izay manan-tsofina hihaino izay lazain’ny Fanahy ho an’ireo fiangonana.‘‘‘‘’

29

Copyright information for PltULB